Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fikambanana Destiny: vehivavy sahirana 500 nizara fanampiana

Fikambanana Destiny: vehivavy sahirana 500 nizara fanampiana

Ny asabotsy teo ny natokan’ny fikambanana Destiny eny amin’ny kaominina Ivato nanamarihana ny Andron’ny vehivavy. Fikambanana naorin’ny vadin’ny ben’ny Tanàna Ivato, Randrianarisoa Hoby. Toy ny isan-taona, fitsimbinana manokana ireo vehivavy sahirana no nentina nanamarihana izany.

Vehivavy sahirana fivelomana manodidina ny 500 ny nizarana fanampiana toy ny vary, ny savony, ny menaka, ny paty, ny labozia… Niarahana amin’ireo malala-tanana sy mpiara-miasa maro ny tolo-tanana nahafahana nanao izany. Teo koa ny ezaky ny mpikambana tsirairay izay taizana amin’ny kolontsaina mahay mizara sy mifanampy.

Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny vadin’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenena (HCC), Rakotoarisoa Voahangy, ary anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’ny tolo-tanana.

Ankoatra ny fanampiana, nampahafantatra mikasika ny zon’ny vehivavy ihany koa ny mpahay lalàna. Nisy koa ny dokotera nanazava momba ny homamiadana mahazo ny vehivavy izay nahaliana tanteraka ireo vehivavy nanatrika.

Miahy ny sahirana sy ny zaza kamboty no tarigetran’ny fikambanan Destiny. Efa manodidina ny 100 ireo mpikambana ao anatiny.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.