Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sombintsombim-Baovao

Rugby

Tolo-tanana  ho an’ny TFA

 

Ho fanomanan’ny TFA Anatihazo ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina «Top 6 Aroi», taranja rugby, hisy fifaninanana nataon’izy ireo hitadiavam-bola, rahampitso alahady, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Lalao sedra ho an’ny fileovana ihany koa io, ao anatin’izao tsy fisian’ny fifaninanana izao. Anisan’ny donabe andrasan’ny rehetra, ny fifanandrinan’ny CNaPS Sport sy ny FTM Manjakaray. Efa nikatroka ny roa tonta teo amin’ny fiadian-toerana fahatelo, nandritra ny fiadiana ny fifaninanam-pirenena “Gold Top 20”. Hanala vela, amin’ity ny CNaPS Sport.

 

Tsipy kanetibe

Amboaran’i Madagasikara

 

Hotontosaina amin’ity asabotsy 14 sy rahampitso alahady 15 marsa, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe. Eny amin’ny kianja Imerintsiatosika no hanatontosana izany ka lalao ho an’olon-telo miaraka lehilahy sy vehivavy ary olon-droa miaraka sokajy “veteran” no hotanterahina, amin’izany. Marihina fa fihaonana natao hitiliana izay handrafitra ny ekipam-pirenena ity fifaninanana ity, izay karakarain’ny federation sport boule Malagasy (FSBM),  misahana vonjimaika ny taranja tsipy kanetibe eto Madagasikara.

 

Nangonin’i Tompondaka

Les commentaires sont fermées.