Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Rallye Moi(s) Théâtre: Dingana faha-5 ny « La planète des songes »

    Rallye Moi(s) Théâtre: Dingana faha-5 ny « La planète des songes »

    Nomen’ny Rallye Moi(s) Théâtre lanja ny vehivavy tamin’ny alalan’ireo seho notontosaina ny 8 marsa teo. Hiditra amin’ny dingana fahadimy ny fandaharam-potoan’ity hetsika lehibe ity. Anio, eny amin’ny Lycée Français d’Antananarivo Ambatobe no hitondrana eny an-tsehatra ny seho nampitondraina ny lohateny « La planète des songes », nosoratan’i System-D. Hisy fiaraha-miasa amin’i Tagman Namgat ihany koa amin’io. Tafiditra ao anatin’ny tantara ny fandraisan’anjaran’i Nilo na Ilay voay avy ao amin’i Nil, i « Z » kalalaon’i Manhattan ary i Dadabe sokatra niaina ela teto Antananarivo.

    Raha tsiahivina, anisan’ny nisarika an’i System-D ny hip-hop, tany am-boalohany nirotsahany teo amin’ny tontolon’ny zavakanto. Tia milalao teny koa anefa izy. Efa tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny slam-poésie izy, ny taona 2010. Ankafiziny sy ahafantaran’ny olona maro ny telentany koa ny fanentanana amina sehatra maro.

    HaRy Razafindrakoto

     

    Les commentaires sont fermées.