Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra  – Caf  sy  ny Coronavuris: tsy raikitra ny lalaon’ny Barea sy i Cote d’Ivoire

Kitra  – Caf  sy  ny Coronavuris: tsy raikitra ny lalaon’ny Barea sy i Cote d’Ivoire

Mandalo fotoan-tsarotra ny kitra afrikanina raha efa nisedra izany ny  any  Eoropa.  Namoaka  fanambarana  ny eo anivon’ny Kaonefederasion’ny  baolina kitra  aty  Afrika (Caf), omaly, fa  miova avokoa ny fandaharan-dalao efa  voalahatra.

Nandinika sy  nijery ny zava-misy  manoloana ny fihanaky  ny valanaretina Coronavirus hatraty Afrika ny eo anivon’ny Caf, omaly  hariva. Tapaka  tamin’izany fa ahemotra  ho  amin’ny fotoana  manaraka ary hampahafantarina miandalana eo  ihany ny fandaharan-dalao  rehetra  momba ny fifanintsanan’ny Can 2021, hatao any Kameronina. Tafiditra ao anatin’izany ny lalao mandroso sy miverina eo amin’ny Barea  sy ny Elefanta Ivorianina, tokony  hatao ny 27 sy ny 31 marsa izao.  Midika izany  fa tsy raikitra amin’ireo  daty efa voafaritra ireo ny fihaonan’ny  roa  tonta.

Araka  izany, nampisavoritaka tanteraka ny tontolon’ny baolina kitra maneran-tany, ilay valanaretina “coronavirus”. Voakasik’izany koa ny Barea sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Samy manana mpilalao mila ravinahitra any amin’ireo firenena ahitana  ity valanaretina  ity ny roa tonta.

Metanire sy i Hery Bastien

Anisan’izany i Romain Metanire, milalao any Minesota, Etazonia. Nanambara ny filoha amerikanina, i Donald Trump, fa mikatona amin’ireo firenen-drehetra i Etazonia, ho fisorohana ny Coronavirus. Teo koa  ny momba an’i Hery Bastien, milalao ao amin’ny Lienfield, any Irlande Avaratra. Misy mpilalao iray miaraka aminy voatily, nahitana viriosin’io areti-mandoza io.  Nandray fanapahan-kevitra ny tompon’andraikitry ny klioba, ilalaovany ka tsy mamela ireo mpilalaony hivoaka ny faritra misy azy.

Tsy mbola fantatra ihany koa ny amin’ireo mpilalao malagasy, any Arabia Saodita sy ny any Frantsa, na omen’ny mpitantana ny ekipany fahazoan-dalana hamonjy ny Barea na tsia. Marihina fa tsy ny Barea irery no azon’izao tranga izao fa eo koa ry zareo Elefantan’i Côte d’Ivoire. Ohatra, i Gervinho, milalao any Italia, anisan’ireo  firenena tena voa mafy amin’io  valanaretina io.

Tompondaka sy Synèse  R. 

Les commentaires sont fermées.