Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiantohana: hifanome tanana eny amin’ny tobim-paintsoanana ny Mama sy ny ATT

Fiantohana: hifanome tanana eny amin’ny tobim-paintsoanana ny Mama sy ny ATT

Vonona izahay hifanome tanana amin’ny fikambanam-piantohana Mama  manerana ireo tobim-piantsonana eto Madagasikara”, hoy ny tale jeneralin’ny ATT,  ny Jly Reribaka Jeannot, ny  faran’ny herinandro teo. Nambarany fa  maro ireo tanàna misy tobim-piantsonana  toy ny any Arivonimamo, hotokanana ny faran’ny volana marsa ho avy izao. Ny any Vaingandrano, Ambalamanasa, Ranomafana Ifanadiana ary Ambanja. Nampirisika ny Mama koa izy mba hanatsarana ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny minisitera mpiahy ny fitaterana sy ireo rantsa-mangaika samihafa. Notokanana tamin’io fotoana  io ny masoivohon’ny  Mama  ao Fenoarivo Atsinanana. Nisy ny fijoroana vavolombelona nataon-dRakotomalala Philippe, mpiasa tranainy nanomboka ny taona 1976 ka hatramin’ny taona 1990. Niaiky ny tenany  fa nisedra fahasahiranana ny Mama  nandritra ny fotoana niasany tao. Tsy voaloa ara-dalàna intsony ny onitra ho an’ny mpanjifa. Ny tsy fiahiana ara-dalàna ny mpiasa marary. Ny faharatsian’ny fitaovana fampiasa.

Fandoavana onitra tsy maintsy efaina

Mahavelom-bolo anefa amin’izao  fotoana izao  ary fa mavitrika ny mpiasa. Nahitana fivoarana ny tontolon’ny sehatra iasana. Nisy ny fanatsarana ny sosialin’ny mpiasa, ny fisitrahan’ireo mpiasa ny tombontsoany, ny fampitaovana nanaraka  ny teknolojia vaovao, ny trano mijoalajoala isaky ny faritra misy ny masoivoho”, hoy  izy. Manampy izany ny vola tsara tantana tamin’ny fandoavana ireo onitra tsy maintsy hoefaina  ho an’ny mpanjifa. Tsy miandry ela intsony izany, araka ny nambarany. Voaloa ara-dalàna ny karaman’ny mpiasa manontolo isam-bolana.  Porofon’izany ny nahazoan’ny Mama mari-pakasitrahana avy amin’ny « Comité des entreprises d’assurances à Madagascar » (C.E.A.M) sy ny minisiteran’ny fitantanam-bola. “Antoky ny fampandrosoana ny fahitana ezaka fampivoarana avy amin’ny Mama amin’ireo tanàna isam-paritra reheha misy azy. Azon’ny mpanjifa tsapain-tanana hatreto ny tamberin’andraikitra amin’ny alalan’ny fananganana foto-drafitrasa marobe eo anivon’ny Mama,  efa hahenika ny Nosy”, hoy  ireo  nandaha-teny.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.