
Nankatoavin’ny Jica*, foibe any Tokyo, Japana, ny tatitra momba ny fanadihadiana amin’ny antsipiriany ny amin’ny tetikasa fanohanana fanatsarana ny famokaram-bary, Papriz*. Vita sonia ny 6 desambra 2019 izany tetikasa izany. Dingana manaraka, natao sonia omaly, ny fampiharana ny tetikasa iarahan’ny Jica sy ny minisiteran’ny Fambolena, ny fiompiana ary ny jono. Hatomboka amin’ny enim-bolana faharoa amin’ity taona ity ny fanaovana izany.
Tanjona ny fahampiam-bokatra eto an-toerana, ny fahavitan-tena sakafo, sy ny hahafahana manondrana vary any amin’ireo firenena manodidina. Dimy taona ny faharetan’ny fiaraha-miasa amin’ny governemanta japoney ho fampitomboana ny voka-bary hahatrarana ny fahavitan-tena sakafo. Manankina izany amin’ny Jica ny governemanta japoney, ary manendry olona hitantana izany ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena, ny fiompiana ary ny jono ny governemanta malagasy. Paikady amin’ny fanatsarana ny voly vary ny hitantana ny tetikasa.
Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny voly vary aty Afrika, natomboky ny Jica hatramin’ny 2008 izao, manana tanjona amin’ny fampitomboana ny voka-bary. Faritra 22 manerana ny Nosy ny hanatanterahana izany, 11 ireo efa nanaovana Papriz niandraiketan’ny minisiteran’ny Fambolena, 11 hafa hanaovana andrana.
Nanao sonia ny fifanarahana amin’izao tetikasa izao ny solontenan’ny Jica eto Madagasikara, i Umemoto Shinji, sy ny minisitry Fambolena, ny fiompiana ary ny jono, Ranarivelo Lucien. Nanatrika izany koa ireo teknisianina samihafa ao amin’ny minisitera. Hatramin’izao aloha, tsy ampy ny vokatra eto an-toerana ka betsaka ny vary hafarana avy any ivelany, tsy latsaky ny 500 000 t isan-taona.
R.Mathieu
Jica* : Agence japonaise de coopération internationale
Papriz : Projet d’amélioration de la productivité rizicole
Les commentaires sont fermées.