Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Volam-panjakana: nanome toky ireo mpikajy bokim-bola amin’ny fitantanana

Volam-panjakana: nanome toky ireo mpikajy bokim-bola amin’ny fitantanana

Nanao fivoriambe isan-taona, ny faran’ny herinandro teo tao amin’ny Motel Anosy, ny fikambanan’ny mpikajy bokim-bola (agents comptables) ny sampandraharaham-panjakana na ny orinasam-panjakana (EPN)*. Notsiahivin’ny tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana, Ranjalahy Ihaja, tamin’ireo olona ireo, fa tompon’andraikitra voalohany izy ireo amin’ny fampidiram-bola sy ny fandaniana amin’ireny sampandraharaha na ny orinasam-panjakana ireny. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana tamin’ireny tompon’andraikitra ireny ny tsy tokony hanaovana fanararaotam-pahefana. Raha misy tsy mazava amin’ireo « ordonnateurs », tokony hitondra fanazavana teknika mifanaraka amin’izany ireo mpikajy bokim-bola.

Ireo mpikajy bokim-bola amin’ny EPN ireo, miasa amin’ny orinasa na sampandraharaham-panjakana, anisan’izany koa ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana. Araka izany, mikajy ny vola rehetra ampiasaina izy ireo, miditra sy mivoaka. Koa eo ambany fiahian’ny DCP* ao amin’ny Tahirimbolam-panjakana izany asa izany ary mpanelanelana ny « ordonnateur » amin’izay sehatra misy azy ireo.

Nanome toky ny filohan’ny fikambanana, Andrianantenaina Mamy, mpikajy bokim-bola ao amin’ny ACM (Aviation civile de Madagascar), amin’ny anaran’ny namany rehetra, fa hanao tsara tantana ny asa ankinina amin’izy ireo. Hatao izany mba hampisy fiantraikany mivantana amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Nanatrika ny fotoana ny minisitry ny Toekarena sy ny tetibola, Randriamandrato Richard, sy ny sekretera jeneraly, Rabarinirinarison Rindra. Nohararaoritin’ny minisitra tamin’izany ny fampitana ny hafatry ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, momba ny fanjakana tsara tantana, indrindra amin’ireny sahanin’ny fanjakana ireny. Nosoritan’ny minisitra mazava ny andraikitra lehibe tanan’izy ireo.

 

R.Mathieu

 

EPN* : Etablissements publics nationaux

DCP* : Direction de la comptabilité publique

 

Les commentaires sont fermées.