Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sakaraha: tratra ireo jiolahy nangala-jaza varira (fotsy bobo)

Sakaraha: tratra ireo jiolahy nangala-jaza varira (fotsy bobo)

Noraisim-potsiny ! Tratra tao Sakaraha ireo jiolahy nangalatra zaza varira (fotsy bobo). Avotra soa aman-tsara  ilay zaza ka noraisin’ny sampandraharahan’ny mponina any an-toerana ny fikarakarana azy amin’izao fotoana izao. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, tratran’ny zandary tao Andranomaitso ny iray tamin’ireto jiolahy mpangala-jaza ireto. Nandritra ny famotorana nataon’ny zandary no nilazany fa maro izy ireo no nandray anjara tamin’ny hala-jaza. Rehefa natao ny vela-pandrika dia tratran’ny miaramila ZRPS Alpha tao amin’ny fokontany Adabomiomba ireo namany niaraka tamin’ilay zazakely. Nohamafisin’ireo miaramila ZRPS fa nisy ny fifampitifirana vao azo sambo-belona ireto jiolahy ireto. Nifanome tanana tamin’izy ireo ny zandary. Vokany, jiolahy telo maty voatifitra. Izao toe-javatra izao no manamarina fa misy tokoa ny hala-jaza varira any amin’ny faritra atsimo izay tsy fantatra mazava ny tena antony amonoan’ireo mpangala-jaza ireny zaza varira ireny. Tsy fantatra ny ray aman-drenin’ity zazakely ity ka anaovana antso avo amin’ny rehetra izay mahalala azy. Ny fampitam-baovao voaray teo amin’ny manodidina no nahafahan’ny tafika sy ny zandary nandray andraikitra avy hatrany ka nahafahana nanao fikarohana ka izao niafara tamin’ny fahatrarana ireto mpangala-jaza ireto. Araka ny vaovao nampitain’ny zandary, efa betsaka ny asa ratsy vitan’ireto jiolahy mpangala-jaza ireto satria nahitana voamaso ihany koa tany amin’izy ireo nandritra ny fisavana nataon’ny zandary. Efa nanainga omaly tany Sakaraha hihazo ny Fitsarana any Toliara ireto mpangala-jaza ireto.

CMS sy Jean Claude

Les commentaires sont fermées.