Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Raharaha Arizaka »: matoky ny Bianco ny CNaPS

« Raharaha Arizaka »: matoky ny Bianco ny CNaPS

Nitondra fanazavana ny talen’ny serasera ao amin’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS), Ratsimbaharison Alain, omaly, nandritra ny fanomezana fanampiana teny amin’ny BNGRC Antanimora. Nambarany fa nahatonga ny CNaPS nitory teny amin’ny Bianco ny tale jeneraly teo aloha, Arizaka Rabekoto Raoul, ny ahiahy amin’ny mety hisian’ny fitantanana tsy nety nataony. Araka izany, efa nilaza ny Bianco fa efa eo am-pelatanany ny raharaha, ka tsy tokony hisy intsony ny resabe atao mikasika ity raharaha ity. Anjaran’ny Bianco ny manapa-kevitra ny ho tohiny na tsia mikasika izany fitoriana izany ary matoky tanteraka azy ny CNaPS.

Ankoatra izay, nomarihin-dRatsimbaharison Alain, fa tafiditra ao anatin’ny hetsika fanatanterahana ny vina napetraky ny filoha Rajoelina Andry, hanamafisana ny fiahiana sosialy ny fanomezan’ny CNaPS ho an’ny traboina teny amin’ny BNGRC, omaly, nahitana vary (riz de luxe) miisa 66 gony sy bodofotsy 660. Manantena ny CNaPS fa hizara ireo fanomezana ireo, araka ny tokony ho izy ho an’ireo mpiray tanindrazana manerana ny Nosy. Ho tambin’izany, nanome mari-pankasitrahana ny BNGRC, anehoana ny adidin’ny olom-pirenena nataon’ny CNaPS.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.