Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Orange Pro league»: hidona ny Jet Mada sy ny CNaPS Sport

Hiditra amin’ny andro faha-14, amin’ity asabotsy 29 sy rahampitso 1 marsa, ny fifanintsanana hiadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra na ny “Orange pro league”. Lalao telo no hanamarika izany izay hangotraka avokoa. Anisan’ireny ny fifandonan’ny AS Jet Mada sy ny CNaPS Sport, samy ekipan’Itasy. Ekipa diso mifankahalala tsara ny roa tonta satria efa niatrika ny famaranana, niadiana ny ho tompondakan’ny ligy Itasy tamin’ny taon-dasa, hanala vela amin’ity ny AS Jet Mada. Ankoatra izay, hampiantrano ny Zanakala FC ihany koa ny AS Adema. Manan-tombo teo amin’ny fandresena aloha hatreto ny Adema, manoloana ity klioban’i Matsiatra Ambony ity; Mbola hafana vay ihany koa ny fifandonan’ny Cosfa (Bebaoty) sy ny Elgeco Plus, samy ekipan’Analamanga. Hiendrika famaranana kely mihitsy ny lalaon’izy ireo.

Tompondaka

Ireo fandaharan-dalao rehetra

 

Sabotsy 29 febroary

Kianja Ampasambazaha

02:30 -3FB Toliara # Fosa Jr Boeny

Kianja By Pass

02:30 –As Adema # Zanakala FC

Kianja Barikadimy Toamasina

02:30 – Club M # Tia Kitra

Alahady 01 marsa

Kianja By Pass

12:00 – AS Jet Mada # CNaPS Sport

02:30 – Cosfa # Elgeco Plus

Kianja Ampasambazaha

02:30 – FCA Ilakaka # Ajesaia

Les commentaires sont fermées.