Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambatovy: tohana ho an’ny mpamboly sakay

Ambatovy: tohana ho an’ny mpamboly sakay

Manampy ny tantsaha manodidina ny faritra iasany any amin’ny distrikan’i Moramanga ny orinasa Tetikasa Ambatovy. Miisa 340 ireo mpikambana mivondrona ao anaty fikambanana miisa 15 any amin’ny kaominina Ambohibary, Ambatovola, Morarano Gara, Andasibe, Beforona, samy ao anatin’ny distrika Moramanga Ambatovy. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa Madagasikara consulting & ingredients, mividy manontolo ireo vokatra, toy ny sakay sy sakamalaho. Manohana amin’ny fampiofanana ara-teknika sy ny famatsiana masomboly ary ny zezi-pahitra ny Tetikasa Ambatovy.

Amin’izao fanombohana izao, manodidina ny 200 ny tantsaha nomen’Ambatovy zezika biolojika 30 taonina hambolena amin’ny velaran-tany mirefy  30 ha any amin’ny fokontany Ampitambe, Ambohimanarivo, Mangoro ary Morarano, any amin’ny kaominina Ambohibary sy Morarano Gara, hambolena sakay.

Mikasika ny fambolena sakay, mahatratra 23 taonina ny masomboly nomen’Ambatovy maherin’ny 120, hatao amin’ny velaran-tany mirefy 11 ha any Andasibe, Ambatovola ary Beforona.

Efa nanampy mpamboly sakamalaho miisa 20 tany Beforona sy Ambatovila ny orinasa Ambatovy, ny taona 2016, ka manodidina ny 9,8 taonina ny masomboly nomena sady nokarakaraina koa ny tanimboly.  Nahatratra 16,5 taonina ny vokatra tamina velaran-tany 4,8 ha ny 15 tamin’ireo tantsaha, ny taona 2018.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.