Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Wish2Action: hisorohana ny vohoka tsy nirina 370 000

Fandaharanasa misehatra amin’ny fahasalamana ara-pananahana ny Wish2Action tohanan’ny fanjakana britanika ara-bola. Efatra ny fikambanana mpanatanteraka ireo sahanasa : MSI Madagascar, DMI, Humanity Inclusion ary ny Options, mandritra ny telo taona (taona 2021). Tanjon’ny tetikasa ny hisorohana ny vohoka tsy nirina 370 000 sy hiaro ny reny 630 amin’ny fahafatesana amin’ireo tolotra ara-pahasalamana samihafa. Fandaharanasa feno ny Wish2Action ary manomboka amin’ny fanjakana ny fanohanana tonga hatreny amin’ny vahoaka any ambanivohitra lavitra, hoy ny mpiandraikitra ny Options, dokotera Onisoa Ralidera, omaly teny Antsakaviro. Zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana ny fikarakarana ny fananahana ara-pahasalamana sy ny fandrindrana izany ary tokony ho voasahana avokoa ny rehetra. Iantefa kokoa amin’ny tanora sy ny olona manana fahasembanana ary ny olona tena marefo ny tetikasa. Andraikitry ny tetikasa koa no hanampy ny fanjakana hanatanteraka ny fifanarahana efa nekena sy ny asa takiny. Rehefa vita ny tetikasa, hanana rafitra sy politika matanjaka ny Malagasy hitantana ny fananahana ara-pahasalamana.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.