Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taratry Ny Kanto

Sk Melody – Bodo sy Tosy
Efa nisy ve ny fiarahana an-tsehatra? Fanontaniana napetrak’izay rehetra nahita ny afisy io. Na efa nisy na tsia, mahaliana ny mpankafy mozika izany Bodo sy i Tosy hifampizara sehatra izany. Mpanakanto samy miavaka amin’ny feo mantsy izy ireo. Manome fotoana izay liana, eny amin’ny SK Melody Mandriambero izy ireo, anio, manomboka amin’ny 9 ora alina.

Piment Café – Rija, Luk, Mahery
raikitra indray! Fotoana handrasan’ny mpankafy azy ireo hatrany ny fiarahan’i Rija Ramanantoanina, Luk ary Mahery. Hiverina ao amin’ny Piment Café indray izy ireo, anio manomboka amin’ny 9 ora alina. Anisan’ny mampiavaka ity fiarahana ity ny famerenan’izy telo mirahalahy ireo hira efa taloha tany, izay maro amin’izy ireny no tsy ampoizin’ny mpankafy hatrany.

Le Pavé – Shyn sy Big Mj
Mahalana ny fahitana ireo mpanakanto mpivoy ny mozika mafana, amina toerana kelikely eto Antananarivo. Hahazo tombony, araka izany, ireo izay hanatrika ny seho hotontosain’i Shyn sy i Big MJ, anio alina, etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina. Tsy matetika ihany koa ny ahitana azy roa lahy ireto an-tsehatra, indrindra fa hiatrika ny fitetezam-paritra sy ny fivoahana any ivelany izy ireo, aorian’izay.

Nangonin’i Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.