Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

La  Brador  de Madagasikara: fambolen-kazo miisa 20.000  fototra

La  Brador  de Madagasikara: fambolen-kazo miisa 20.000  fototra

Ho fanantanterahana ny bokin’andraikitra sy ny vinan’ny fanjakana amin’ny fameranana ho tontolo maitso an’i Madagasikara, nanantanteraka fambolen-kazo miisa 20.000 fototra, ny orinasa «  la Brador de Madagasikara», mpitrandraka vato bradorite any  amin’ny kaominin’ny ao Benonoke, distrikan’ny Benenitra, faritra Atsimo Andrefana, ny faran’ny herinandro lasa teo iny. Na dia heverina fa tsy misy fiantraikany firy aminy tontolo  iainana aza izao fitrandrahana izao, niara- nientana tamin’ny mponina ao amin’ity kaominina ity nanatanteraka izao fambolen-kazo izao io orinasa io. Tsy misy very ny vato rehetra trandrahina eto satria samy manana ny asany avokoa, sady aondrana ambongadiny any ivelany.

Mahazo tombony be indrindra amin’izany fitrandrahana harena an- kibon’ny tany izany ny faritra Atsimo andrefana avy amin’ny tamberim-bidy azo amin’ny fanondranana any ivelany    ireo vato.  Mahazo asa mivantana koa ny mponina, eo koa ny fambolen-kazo, ny sekoly sy ny trano tobin’ny zandary, sns. Nisy ny fambolena laloasy nandritra ity fambolen-kazo  ity,  entina hiarovana ny fikisahan’ny fasika, manamorona ny arabe any an-toerana.

Ny indro kely anefa, tsy hita taratra ny fandrosoan’ny distrikan’i Benenitra na dia manana izao harena be tsy lany lanina izao. Marihina ihany koa fa isan’ny manimba ny lalam-pirenena faha folo na ny RN 10 ny fitaterana ireo vato ireo mamonjy ny seranana aty Toliara ka tokony hojerana manokana ny fampiasana ny vola azo amin’io fitrandrahana io mba hisian’ny fiantraikany amin’ny fampandrosoana ny faritra Atsimo andrefana.

CMS

Les commentaires sont fermées.