Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Haody: iainana fa tsy atao ravin’antentina

 Efa tsara ny hoe misy mampianatra, fa tsara kokoa ny miaina ilay ianarana. Manomboka miverina amin’ny kolontsainy ny Malagasy. Tsy vitsy ihany koa ireo mianatra azy ireny. Zary an-kosotra anefa izany raha isaky ny misy lanonana vao aseho ny hasin’ny lamba landy na ny salovana hoentin’ny vehivavy malagasy. Ohatra ihany io fa amin’ny ankapobeny, mbola maro ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy no tokony hiainana andavanandro mihitsy.

Na aiza na aiza, afaka mifanaja ny Malagasy. Kolontsaina azo iainana izany. Na amin’ny fotoana inona, na amin’ny vanim-potoana manao akory, mahay sy tia mifanampy ny Malagasy, sns. Iainana avokoa ny tahaka ireny ! Tsy tokony ho sarotra ny miaina indray ny kolontsaina malagasy satria efa ao anatin’ny Malagasy tsirairay izany fa mila fohazina fotsiny.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.