Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Arim/Sri: Malagasy fito lasa any Canada

Arim/Sri: Malagasy fito lasa any Canada

Niainga teto an-tanindrazana  ny asabotsy teo ireo efatra mirahalahy nahafeno ny fepetra sy nifanaraka tamin’ny filan’ny asa misy any Canada. Hiasa momba ny fiompiana amina tanàna samihafa  any Canada ireto tanora malagasy ireto. Hamaly ny filan’ny tolotra  sy ny tinady amina firenena maro izany fiompiana ataony amina orinasa efa matanjaka any an-toerana  izany.

 Ny Agence du Canada Arim-sy ny Solution Recrutement International SRI izay mpiara-miasa eto an-toerana sy avy any Canada no manao ny fitadiavana mpiasa sy ny sivana rehetra ary tonga hatrany amin’ny adina amin’ny antsipiriany hijerena ny fahaiza-manao sy ny tanjaka hananan’ireo Malagasy maniry ny hiasa any.

Mandalo antanan-tohatra maro ny sivana hatao amin’ireo Malagasy mitady asa mamaly ny tolotra alefan’ny Arim/SRI. Ho an’ireto andiany nandeha farany ireto, efa nisy roa taona no niandrasana izao fandehanana izao.

Mila faharetana sy fivezivezena matetika rahateo  ny fikarakarana rehetra raha ny filazan’ny  tompon’andraikitra, i Nirina Chouquette, talen’ny Arim Madagasikara.

Tany am-piandohana, anjatony ireo tanora nisoratra anarana  namaly ny tolotr’asa. 15 tamin’ireo ihany no voasivana kanefa 11no afaka tamin’ny adina farany ary fito ihany no tena hita fa hahavita ny asa sy namaly tanteraka ny filana.

Sehatra hahafahana manampy ireo tanora malagasy mitady  asa marin-toerana sy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny fiaraha-miasan’ny  Arim sy ny SRI.

Hatramin’ny taona 2018, efa anjatony ireo Malagasy  nahazo fifanarahana araka asa  maharitra herintaona any Canada vokatry ny fiaraha-miasan’ny Arim/SRI.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.