Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Any am-pandosirana efa ho iray volana : miantso an’i Leva hipoitra ny vadiny

Any am-pandosirana efa ho iray volana : miantso an’i Leva hipoitra ny vadiny

Samy mbola ifampitadiavana izao izany ny tale jeneralin’ny CNaPS  teo aloha na  ny depiote teo aloha any Mahabo. Nanao antso avo mihitsy ny vadin’ity olom-boafidy ity mba  hivoahany  amin’ny  toerana isitrihany any. 

Ho feno iray volana  tsy ho ela ny nanjavonan’ny depiote  teo aloha, Raveloson Ludovic na i « Leva Sydney ». Tsy hita popoka hatramin’izao  na efa namoahana didy fikarohana sy nanetsehana mpitandro filaminana  amin’ireo lalam-pirenena, indrindra ny RN7 aza. Nanao antso avo tamin’ny haino aman-jery iray  noho izany ny vadiny,  ny depiote  Razafindrazalia Yvonne, afakomaly ny amin’ny tokony hivoahany amin’izay toerana hiafenany na misy azy any.

Tsiahivina  fa nivoaka ny fonjan’i Morondava, ny 5 febroary  teo ity olom-boafidy teo aloha  tao Mahabo ity. Nahazo fahafahana vonjimaika avy amin’ny fitsarana ao Toliary ny tenany ary efa nihazo avy hatrany ny tetsy amin’ny lapan’i Tsimbazaza.

Fampiatoana mpitsara roa any Toliary

Nanaitra ny maro izany ka nahatonga ny fanjakana naka fepetra. Tonga hatrany amin’ny fampiatoana amin’ny asany ireo mpitsara  roa tany Toliary izany ary  nirosoana amin’ny fanadihadiana azy ireo ny amin’ny mety hisian’ny kolikoly amin’ny namoahana an’i Leva io. Nilatsaka ny didy fikarohana ity olom-boafidy teo aloha ity avy eo.

Teo anelanelan’izany,  nataon’ny mpitandro filaminana  andrimaso, notazonina any Mahabo ny vadiny, Razafindrazalia Yvonne. Notendren’ny  HCC, hisolo an’i Leva anefa io vadiny io ny 10 febroary noho izy lisitra faharoa tamin’ny fifidianana.  Banga rahateo ny toerana ho an’ny distrikan’i  Mahabo eny amin’ny  lapan’i  Tsimbazaza.

Raharaha miisa fito maha voasaringotra an’i Leva

Marihina fa miisa hatrany amin’ny fito any ho any ny raharaha ahina ho  maha voasaritongotra ity depiote teo aloha  ity. Efa nampidirina am-ponja an’i Leva, teo aloha ary nahazo sazy mihatra dimy taona an-tranomaizina amin’ny fiampangana sasany. Anisan’izany ny fanimbana ny ala ao amin’ny faritra arovana ao Morondava. Eo koa ny fanararaotam-pahefana sy ny fitrandrahana tsy manara-dalàna ny ala. Ny fandrahonana sy fampihorohoroana  olona…

Tsy mbola misy mangirana ny amin-dRabekoto Raoul

Araka izany, tena mbola ifampitadiavana tokoa ve aloha i Leva hatramin’izao  ? Hipoitra ihany  koa izy manoloana  izao antso avo nataon’ny vadiny, sady depiote izao ?

Etsy an-daniny, tsy mbola hita nanjavonana koa na efa namoahana filazana fikarohana aza ny  tale jeneralin’ny CNaPS teo aloha,  Rabekoto  Arizaka Raoul.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.