Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Voatsipaka ny fanendrena an’i Lama ho sefo fokontany

Voatsipaka ny fanendrena an’i Lama ho sefo fokontany

Manomboka ny fanoherana sy ny tsy fankasitrahana. Tsy levon’ny vavonin’ny fokonolona ao amin’ny parisela 11/46 Mangarano-Toamasina ny fanendren’ny prefet an’i Lama ho sefo fokontany. Nanterin’izy ireo fa nataon’ny TGV/Mapar amboletra fotsiny ny nanendrena izany. “Tsy mba misy fandinihana ny olona tokony hahafehy izany sefo fokontany iray izany. Tovolahy tsy manambady fa mbola manao fomba fiainana tanora loatra i Lama. Fahamamoana lava sy fieboeboana fotsiny izao”, hoy izy ireo. Nifamory ireo fokonolona ary nilanja sora-baventy nanehoana ny tsy fanekena izao fanendrena izao. Nohamafisin’izy ireo fa manaiky fotsiny ny fanoloran’ireo mpitarika sy mpikambana ao amin’ny TGV/Mapar lisitra ny prefet.

Sajo

Les commentaires sont fermées.