Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tetikasa Akoho nakà: 30 mianadahy nahazo famatsiam-bola

Tetikasa Akoho nakà: 30 mianadahy nahazo famatsiam-bola

Natolotry ny filoha Rajoelina Andry, omaly, ny famatsiam-bola ho an’ny 30 mianadahy, hisehatra amin’ny fiompiana akoho manatody lava sy fakana nofo ao anatin’ny Tetikasa Akoho nakà, singa iray voafaritry ny Fandaharanasa Fihariana. Mitotaly 530 tapitrisa Ar ny famatsiam-bola nomena azy 30 mianadahy ka samy nahazo eo anelanelan’ny 9 tapitrisa Ar hatramin’ny 36 tapitrisa Ar tsirairay avy, arakaraka ny isan’ny akoho ompiany, sy ny haben’ny toerana hanaovany azy. Ampiasan’izy ireo ny vola ny sakafon’ny akoho, ny vaksiny, ny fanaraha-maso ary ny zanak’akoho izay mahatratra 40 000. Nametraka fanamby izy 30 mianadahy ny hanitarana ny fihariany avy sady mba ho matihanina kokoa.

Nambaran’ny filoha Rajoelina fa “tanjon’ny tetikasa Akoho nakà ny hanova sy ny hanatsara ny fomba fisakafoan’ny Malagasy ka hampidirana ny henan’akoho ho hena fihinana, hasolo ny henan’omby. Hanampy amin’ny fampiroboroboana ny toekarena satria hamorona asa, hampitombo vokatra, ka hipaka mivantana amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Zana-bola 5%

Mandritra ny 18 volana ny hamerenan’ireto mpandraharaha madinika ireto ny vola nampindramina azy, amin’ny zana-bola ambany, 5%. Manomboka amin’ny faha-60 andro aorian’ny fanombohana ny asa ny fanonerana voalohany ary mitohy isaky ny mamoaka vokatra, tombanana isaky ny 60 andro.

Mbola manaraka fiofanana teknika sy fitantanana, mandritra ny efatra andro, izy ireo mialoha ny hanombohana ny asa. Nampanantena ny filoha fa homena tohana fanindroany ny mendrika sy mahavita vokatra tsara aorian’ny tombana hatao amin’izy ireo.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.