Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tao anaty taxi-be: saron’ny polisy ireo roa lahy naka trondro teny Marais Masay 

Tao anaty taxi-be: saron’ny polisy ireo roa lahy naka trondro teny Marais Masay 

Naiditra am-ponja, omaly eny Antanimora, ireo roa lahy tratra nanarato trondro maloto teny amin’ny ranon’i Marais Masay. Tratra tao anaty taxi-be, omaly, niaraka amin’ny trondro maloto 15 kg izy roa lahy raha saika hivarotra izany eny Ambohimanarina…

Nahazo fitarainana avy ao amin’ny fokontany Avaratetezana, Ampefiloha Ankeniheny, ary Ampandriambehivavy ny polisy avy ao amin’ny CSP6 Ambohimanarina, ny alatsinainy teo, fa misy andian’olona lahy sy vavy manarato sy manihika trondro maloto ao amin’ny ranon’i Marais Masay, Anosy, ary Behoririka. Amidin’izy ireo eny an-tsenan’Ambohimanarina, eny Talatamaty, eny Ambohibao ary eny Ivato ireo trondro maloto ireo, raha ny tatitra hatrany nampitain’ny polisy. Isaky ny maraina manomboka amin’ny 4 ora ka hatramin’ny 5 ora no fanaovan’ireo olon-dratsy ny asa ratsiny. Gony sy kovetabe ny hitondran’izy ireo ny trondro maloto azo ary entina amin’ny taxi-be 114 sy 194 mamonjy ireo toerana hivarotana azy, araka ny fanazavan’ny polisy avy ao amin’ny CSP6. Manoloana izany, nanao sakana avy hatrany ny polisy hisavana ireo taxi-be mitondra ireo mpaka trondro sy mpivarotra trondro maloto ireo. Omaly maraina tamin’ny 5 ora sy 30 mn, lehilahy roa avy naka trondro maloto tao amin’ny ranon’i Masay no tratran’ny polisy tao anaty taxi-be iray rehefa saika handeha hivarotra izany. Mbola nahitana trondro maloto milanja 15 kg tao anaty gony sy harona niaraka amin’ny fitaovana fakana ireo trondro ireo. Toy ny eny an-tsenan’Isotry, trondro maloto avokoa ny ankamaroan’ireo amidin’ny mpivarotra fa mody afenina amin’ny hoe: “trondron’Itasy”. Tsy azo antoka intsony. Aiza ny tompon’andraikitra misahana ireny sakafo ireny manoloana ny tsy fanarahan-dalàna toy izao. Jerem-potsiny!!

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.