Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mila tambajotra ny ady amin’ny ratsy           

Anisan’ny fanambin’ny fitondrana amin’izao ny hoe tany sy fanjakana tan-dalàna. Tsy misy olona ambonin’ny lalàna. Mitaky fiovana sy fanovana. Mby aiza? Sarotra sy mafy ny raharaha, mila fotoana fa tsy vita mora na vetivety. Nahoana?

Efa ela sy lalina ary saika hahahenika ny sehatra sy ambaratonga rehetra loatra ny gaboraraka, ny fanjakazakan’ny tsimatimanota, ny tsikombakomba, ny kolikoly… Tsy inona fa ny karazana fahalovana amin’izay tsy fanarahan-dalàna izay.

Vao mainka mafy sy sarotra izany amin’izao fifanandrinana izao. Tsy hanaiky mora foana ireo ho very tombontsoa. Na iza ny aza, ady fiady tsy maintsy tohizana io. Tongotra mby an-dalana ka tsy afa-miverina intsony ny tena, raha tsy te ho lavo.

Efa manomboka miseholany etsy sy eroa izao ny mpanao ratsy tsy hita na tsy fantatra izay ela izay? Toy izany koa ny karazana tambajotra amin’ny sehatra sy ambaratonga maro. Mila tambajotran’ny rehetra koa amin’ny ady amin’ny ratsy.

R.Nd.

 

Les commentaires sont fermées.