Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fantina  sy fintina

Hanara-maso ny fifidianana depiote atsy Ginea ny Ceni, amin’ny alalan’ny filohany, Rakotomanana Hery. Nantsoin’ny Vondrona afrikanina (UA) amin’izany ny tenany,  ny 1 marsa ho avy izao, raha efa nanainga ny 23 marsa teo. Tsiahivina fa vao ny herinandro teo koa no nasain’ny UA nanara-maso ny fifidianana filoham-pirenena tany Togo ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery.

Hivory tsy ara-potoana ny Antenimiera roa tonta, ny 4 marsa izao, araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra, omaly teny Iavoloha. Haharitra 12 andro izany, hanaovana ny fankatoavana ireo didy hitsivolana miisa sivy noraisin’ny filoham-pirenena nandritra ny fanomezam-pahefana nomen’ny Antenimierampirenena azy nialoha ny nijoroan’ny Antenimierampirenena amin’izao fotoana izao.

Les commentaires sont fermées.