Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Alaotra: difotry ny rano ny vary jeby

Alaotra: difotry ny rano ny vary jeby

Tsy nampoizin’ny mpamboly vary jeby ny habetsahan’ny ranon’orana amin’izao fahavaratra izao. Misy amin’ireo mpandidy vary ny manao ankisitrika mihitsy satria lalina loatra ny rano.

Lava ny “maintany” tamin’ity taom-pambolena 2019-2020 ity. Nihena be ny halalin’ny rano tao am-parihy tamin’iny vanim-potoana iny. Be fanantenana ny mpanao vary jeby ka samy nirotsaka namboly… Taom-baovao, nandalo ny “andro ratsy”, niakatra vetivety sy nihoatra ny nampoizina ny halalin’ny rano. Izay nahaketsa taloha, nahazo vokatra tsara. Isan’izany ry zareo ao Ambodivoara, kaominina Ambohitsilaozana. Maro kosa ny diso fanantenana satria difotry ny rano, mandifotra olona, ny salohim-bary! Nikiry ny lehilahy nitondra tovolahy matanjaka, hokaramaina handidy vary. Tsy sahy nirotsaka ireto mpikarama. “Ianareo koa leiretsy kanosa!”, hoy ilay mpanarama izay avy dia niroboka… ka difotra tsy tazana, nifamonjena. Fa nisy ramatoa koa “efa, notsiriritin’ny mpiara-monina fa hioty vary miavosa ary efa nanomana omby hatao sakafon’ny mpandidy vary. Kanjo avy ny orana ny alina…

Maro ireo sahy mividy lafo

Toy izao ny antsoina hoe “vary jeby”aty Alaotra sy ny jianjoanjo miaraka aminy. Rehefa maintany ka mihamarivo ny rano amin’ny amoron’ny farihibe, tapitra manetsa ao anatin’izany honahona izany avokoa ny isan-tanàna manodidina an’Alaotra. Tany am-piandohana, izay sahisahy sy tsy nanana tany volena, toy ny ao Ambatosoratra, tsy manana tanimbary fa mpiasam-bazaha avokoa ny mponina, no nanao izany. Nirohotra nanao vary jeby avokoa ny tamoron-drano rehetra, rehefa nahita fa tena ahazoana vokatra be ity fambolem-bary any anaty farihy ity. Ireo taty aoriana, maro ireo sahy nividy toerana lafo dia lafo tamin’izay nahavita namaritra toerana lehibe. Izany hoe, efa foto-pivelomana tafaorim-paka any Alaotra ny famokarana vary jeby. Isan-kazarany ny karazan’ambioka ampiasaina. Lasa toerana idodododoan’ireo fiarabe, ny mpanangom-bokatra Ambatosoratra, nony nanao vary jeby.

Amin’izao fotoana izao, tsy sakanan’ireo tompom-bary jeby difotry ny rano intsony ireo olona sahy manao ankisitrika mandidy vary. “Nahazo enina vata aho koh!”,hoy ny iray amin’izy ireo. Fa tsy misy fiantraikany amin’ny vidim-bary fotsy eny an-tsena ny vary jeby tamin’ity.

Rarivo

Les commentaires sont fermées.