Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taorian’ny “Arab Cup U-20”: ifandrotehin’ny klioba telo any Eoropa i Arnaud

Taorian’ny “Arab Cup U-20”: ifandrotehin’ny klioba telo any Eoropa i Arnaud

 

Taorian’ny zava-bitany tamin’ilay fiadiana ny amboaran’ny “Arab Cup U-20”, natao tany Arabia Saodita teo, maro ireo mpijirika mpilalao liana amin-dRandrianantenaina Arnaud, mpilalaon’ny Barea, taranja baolina kitra. Raha ny vaovao voaray, klioba telo any Eoropa ny manam-paniriana haka azy, toa an’i Lorient, i Troyes ary i Grenoble. Tsiahivina fa 19 taona amin’izao fotoana izao i Arnaud, tena hampivelatra azy haingana ny filalaovany any ivelany any. Ao amin’ny CNaPS Sport no milalao izy ary efa maromaro ihany ny voaantso tao anatin’ny Barea senior sy ny Barea latsaky ny 20 taona. Raha hiverenana, tany amin’ny klioban’ny FC Az ny nipoiran’ity mpilalao ity, nifindra tao amin’ny Ajesaia avy eo ary izao lasa ao amin’ny CNaPS izao. Mampiavaka azy ny fananana vatana lehibe sy ny hakingany amin’ny fampidiram-baolina ka nahatonga ireo klioba vaventy hikitika sy hanaraka akaiky azy, saingy ny Ajesaia no nofidiny. Tsy nijanona ela fa liana aminy ihany koa ny ekipan’ny CNaPS Sport ary izy lasa any hatramin’izao. Mamiratra ary tsy maintsy mahatafiditra hatrany ny tovolahy ao amin’ity ekipany ity ary nentiny tany ivelany izany fahaizany izany.

Tsy mahagaga raha hatrany ivelany aza, taitra tamin’ny fahaiza-manaon’i Arnaud avokoa ka izao ifandrotehina izao ity zandrilahy ity, izay tsorina fa manana ny hoaviny mamiratra sy handeha lavitra eo amin’ity taranja baolina kitra ity.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.