Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ratsy ny fari-piainan’ny ¾-n’ny mponina

Amin’ny sehatry ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono ny iveloman’ny Malagasy maro anisa. Misy fiantraikany lehibe ny aretina tazo amin’ireo sehatra ireo ka nanaovan’ny Instat fanadihadiana ny taona 2016, niaraka amin’ny PNLP (Programme national de lutte contre le paludisme) sy ny Institut Pasteur de Madagascar. Teo anelanelan’ny taona 2006-2008, niakatra ny harinkarena, 5 % hatramin’ny 7,1 %, noho ny fitombon’ny fampiasam-bola avy any ivelany, ny fanaovana fotodrafitrasa, ny varotra, ny serasera sy ny fifandraisan-davitra araka ny teknolojia ankehitriny. Saingy, nidina izany rehefa tonga ny krizy politika ny taona 2009.

Nampitombo ny fifindra-monina an-tanàn-dehibe izay krizy toekarena izay ka ny ankamaroan’izy ireo, manodidina ny 70 %, ratsy trano fonenana. Antony iray lehibe mampihanaka ny tazomoka izany faharatsian’ny toeram-ponenana izany. Nanomboka ny taona 2013-2015, niakatra kely ny harinkarena faobe, 2,3 %, 3 % . Tsy nihetsika firy teo izany ary nihena ny fidiram-bola isan’olona isam-pianakaviana. Nampitotongana ihany koa ny fari-piainan’ny 3/4 daholobe izay, tsy vitsy ireo tratran’ny tazo. Taorian’ny fanadihadiana, nisy ny  fanapahan-kevitry ny fanjakana amin’ny alalan’ny DNLP (Direction nationale de lutte contre le paludisme) ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana mandray an-tanana ny fitsaboana ireo olona 80 % voan’ny tazo, indrindra ny reny sy ny ankizy, fa anisan’izany koa ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany, ny mpihady vato, sy ireo mponina an-tanàn-dehibe tsy manan-kialofana.

Niantoka ny famatsiam-bola fitsaboana nanampy ny eto an-toerana ny Fonds mondial niaraka tamin’ny PSI (Population services international). Raha ny fanadihadiana farany, ny 2010, natao tamin’ny tokantrano maro, mitombo hatrany ireo iharan’ny fahantrana, 76,4% ary vao mainka mitombo izany amin’izao fotoana izao, izay midika fa tsy vitsy amin’ireo koa ny voan’ny tazo.

 

Nanatontosa: R.Mathieu

Mifandray ny fahapotehan’ny ala sy ny tazo

Satria mbola ny olombelona ny manatanteraka be indrindra aty amin’ny fartitra Afrika, betsaka, no ho izany, ny fihenam-bokatra raha atambatra ny ora sy andro tsy ahafahana miasa, noho ny aretina tazo. Na miverina ireny olona ireny, misy ny fahatarana; na raha tsy afaka miasa maharitra, voatery manarama olon-kafa, raha misy ny fahafahana manao izay. Midika izany fa mampitombo masonkarena eo amin’ny famokarana ity aretina ity.

Antony iray hafa koa mitarika ny aretina ny fahapotehan’ny ala sy ny tontolo iainana. Tratran’ny tsindrona moka matetika, anjatony maro isan-taona ny olona miray monina any amin’ireny faritra ireny, ary izany olona izany indray ny mamindra mora ny aretina amin’ny mpiara-monina aminy. Fikarohana nataon’ny Henry sy al. 2007. 

 

 

Les commentaires sont fermées.