Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

IMT: mpianatra namorona orinasa

IMT: mpianatra namorona orinasa

 Miomana dieny mialoha ! Mpianatra efatra mianadahy (R. Daniello, R. Mendrika, R. Mamy, R. Tolotra) ao amin’ny sekoly ambony, Ivontoerana ho an’ny fitantanana sy ny teknolojia (IMT), no mendrika indrindra tamin’ny fifaninanana mamorona orinasa, nokarakarain’ny sekoly. Orinasa novolavolain’izy ireo hatsangana ny Bibliocafé, toerana miaraka ahitana  famakiam-boky sady ahitana fisakafoana maivana sy fialamboly maromaro.

Mpanjifa kendren’izy ireo ny tanora, ny mpianatra, ny mpiasa ambony ary indrindra, ny olona tia mamaky boky. Mampiavaka ny orinasany ny fisian’ny toerana milamina sy tony, sady afaka miala voly. Nilaza ny tale jeneralin’ny IMT, Rtoa Raharisoa Bako Alphine, fa tanjon’ny sekoly ny fampiroboroboana ny famoronan’ny mpianatra orinasa, entina hampihenana ny tahan’ny tsy an’asa eto Madagasikara sady hitondra fampandrosoana fa tsy mpianatra hitady asa.

Nomena loka 1 tapitrisa Ar izy efatra mianadahy, avy amin’ny orinasa Art Pro Immo. Misy koa ny fanohanan’ny banky BNI sy ny orinasa Semco. Marihina fa mpianatra tao amin’ity sekoly ity ihany ny mpitantana io, ary nahazo ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana mamorona orinasa toy izao ihany koa. Misehatra amin’ny lafiny trano fonenana sy ny fikarakarana hetsika ity orinasa ity ankehitriny, ary efa miroborobo tokoa.

Hisokatra amin’ny volana oktobra ny orinasa novolavolain’izy efatra mianadahy, aorian’ny hahazoany ny diplaoma mikasika ny fandraharahana sy ny fitantanana (management & administration des affaires).

Njaka A .

Les commentaires sont fermées.