Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Tsy mitsahatra ny fisafoana ataon’ny polisy manerana ny faritra maro eto an-drenivohitra. Misy ireo polisy manatanteraka izany ny andro maraina ary misy kosa ireo misahana izany ny alina. Nahitam-bokany satria mpanendaka roa no tratra teny an’elakela-tranon’Antohomadinika, mpifoka rongony telo tratra teny Anjanahary raha mpangalatra telefaonina finday kosa tratra teny Besarety ary mpangalatra kojakojana fiara tratra teny Ambatomaro. Nanamafy ny polisy fa santionany amin’ny asa vitan’izy ireo izany fa mitohy hatrany kosa ny fisafoana any amin’ireny elakela-trano ireny ankoatra ny fisian’ireo polisy eny amin’ny faritra be olona mba hisorohana hatrany ny tsy fandriampahalemana.

Les commentaires sont fermées.