Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Songadina an-tsary

Songadina an-tsary

Kaominina miisa sivy no nandalovan’ny filoha Rajoelina Andry, tany amin’ny  faritra Anosy, Faritra Androy, Faritra Atsimo Andrefana, nandritra ny roa andro (22-23 febroary). Maro ireo asa natao, teo ny Vonjy aina hanafoanana ny haintany sy ny tsy fanjarian-tsakafo, nametrahana fandaharanasa Fiavota, izay fanohanana ara-bola ireo fianakaviana tena sahirana. Fanomezana rano fisotro madio taterina amin’ny citerne izay zaraina maimaim-poana. Fizarana sakafo ho an’ireo fianakaviana tena sahirana. Vahaolana maharitra: fitarihan-drano amin’ny alalan’ny “pipeline”. Maro ihany koa ireo delegasion niara-dia tamin’ny filoham-pirenena tamin’izany, toy ny masoivohon’ny Vondrona eropeanina, solontenan’ ny banky iraisam-pirenena, solontena Pam, minisitry ny Mponina sy ny minisitry ny Rano ary ny fikambanana Fitia.

Ambodifilao, tsy fantatra intsony na ny mpivarotra na ny fiara no tompon-toerana, ny mpandeha an-tongotra moa dia eny amin’ny arabe no misy azy.

Fahita matetika, ny moto no mijanona eny amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra.

Fiara efa nijanona amam-bolana maro, etsy Soarano, tsy mandeha intsony, hany ka lasa fatorian’ny olona.

67ha Avaratra, lalana mihazo ny fiantsonana Vatobe, potika tanteraka ny arabe.

Reniranon’Ikopa. Miakatra ny rano, sahirana ireo mpanasa lamba.

Les commentaires sont fermées.