Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sombim-baovao

Lomano : Hotanterahina amin’ity herinandro ity any Mahajanga ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara taranja lomano, eo amin’ny 25 metatra. Tsy mbola hisy ny fifanintsanana amin’io fotoana io fa amin’ny fifaninanam-pirenena 50 metatra hatao eto Antananarivo, ny volana avrily izao, vao ho fantatra ireo hisolo tena antsika any amin’ny lalao olympika, any Tokyo. Na izany aza, fotoana hahafahana mijery ireo taninketsa amin’io satria antenaina ho betsaka ireo mpilomano vaovao hifaninana.

Karate Wado Ryu : Tapa-kevitra ny hampiaina sy hamerina ny lanjan’ny Karate Wado Ryu ireo mpikatroka eo anivon’ity taranja ity, raha ny nifampiresahana nandritra ny kotrana niarahan’ireo mpikatroka teo aloha, izay efa fanaon’izy ireo isan-kerinandro, eny amin’ny Dojo etsy Soarano, ao amin’ny toeram-pianarana Sandy. Hifantoka kokoa amin’ny fifampizarana traikefa eo amin’ny mpikatroka tsirairay izy ireo hampivoarana sy hanatsarana hatrany ny taranja Karate Wado Ryu.

 

Les commentaires sont fermées.