Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Minisitra R. Vahiniala: « Ilaina koloina ny tontolo… »

Minisitra R. Vahiniala: « Ilaina koloina ny tontolo… »

Nanotrona ny fambolen-kazo nokarakarain’ny mponina any Imady niarahana tamin’ny foibem-paritry ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (MEDD) Amoron’i Mania tany Ambositra ny minisitra Raharinirina Vahiniala.  Notanterahina ny asabotsy teo izany tamin’ny velarana 2 ha eo Ampotaka,  anelanelan’Ambositra sy Imerina Imady. Maherin’ny 2 300  ireo zana-kazo voavoly tamin’izany. “Mahavelom-bolo ahy ny fandraisana anjaran’ireo vahoaka sy ny ao anatin’ny Réseau Kilonga. Tsapako fa mipaka tanteraka amin’ny mpiray fikambanana ny fifanabeazana nataonay amin’ny fitiavana sy fikolokoloana ny tontolo iainana ao amin’ny faritra  niaviako“, hoy izy. Nanentana sy nifampizara ny fiantraikan’ny fambolen-kazo sy ny toekarena eto Madagasikara, indrindra fa ny fifandraisany sy ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro koa ny tenany.

Etsy andaniny, nanomana lanonan-drazana ireo raiamandreny tompon’anaran-dray sy ny vahoakan’Imady ary ny ben’ny Tanàna miisa 13, amin’ny maha zanak’Imady ny minisitra, Nitso-drano  ny tenany  hahaleo sy hahalasana amin’ny andraikitra sahaniny ireo olobe ireo. Nisy omby novonoina ho nofon-kena  mitam-pihavanana  ary nifandimby ny fanolorana vary, akoho, ary gisa ho an’ity zanak’Imady ity.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.