Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nosy Be: tovolahy 16 taona niketrika fakana an-keriny

Nosy Be: tovolahy 16 taona niketrika fakana an-keriny

Tovolahy vao 16 taona monja nikasa haka an-keriny zazalahy mpiandry omby vao 12 taona tao Nosy Be, tratran’ny fokonolona ary saika niharan’ny hatezeram-bahoaka.

Ankizilahy 12 taona, mpiandry omby ao Nosy Be no nokasaina tovolahy iray vao 16 taona monja alaina an-keriny, ny alin’ny zoma teo. Raha ny vaovao voaray avy amin’ny zandary, nofatoran’io tovolahy io ilay ankizilahy. Fantatra ihany koa fa mbola tsy noentiny nitsoaka io ankizilahy io ka vao tsikaritry  ny fokonolona ny fihetsiny, nandositra avy hatrany izy ary nifanenjehan’ireo fokonolona. Vokany, voasambotr’ireo fokonolona  tao Belazalaza, fokontan’i Dar-Es-Salam, kaominina Djamandjar, ilay tovolahy vao 16 taona io. Tezitra noho ny teti-dratsy saika nataon’io tovolahy io ny fokonolona ary nikasa hanao fitsaram-bahoaka. Tonga ara-potoana anefa ny zandarimaria avy ao amin’ny tobim-paritra tao an-toerana ka nandray fepetra hisorohana ny fahatezeram-bahoaka.

Vokany, nosamborina ity saika hanao asa ratsy ity ary nosokafana   avy hatrany ny famotorana.

Fepetra noraisina…

Manoloana ireo trangana fakana an-keriny samihafa nisesisesy, natsangana eo anivon’ny tobin’ny zandarimaria etsy  amin’ny toby Ratsimandravava ny borigady miady amin’ny tsy fandriam-pahalemana, ny zoma lasa teo. Fantatra fa fotodrafitrasa ahitana fitaovana arifomba io “cellule” io  ary efa misy ny olona handrafitra izany izay ahitazana zandary sy polisy ary mpitsara.

Tsiahivina fa efa maro ny trangana fakana an-keriny niseho tao anatin’ny enim-bolana farany teo.

 

H.H

Les commentaires sont fermées.