Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hitsy toraka

Soa fianatra!

Nifarana indray iny ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka ny CAVB, taranja Volley Ball, ho an’ny faritra fahafito. Niaraha-nahita fa nilamina tamin’ny ankapobeny ny fikarakarana rehetra, na dia nisy aza ny indrokely teo amin’ny fahatapahan’ny herinaratra tsindraindray sy ny fahataran’ny lalao matetika. Azo lazaina ho efa mahazaka tsara fifaninanana iraisam-pirenena isika Malagasy, na ny fandraisana vahiny izany na ny fikarakarana amin’ny ankapobeny. Soa fianatra ho an’ny federasiona hafa, ny zava-bitan’ny Fmvb toy ireny, indrindra fa handray fifaninanana iraisam-pirenena maromaro isika, amin’ity taona ity, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny taranja tenisy ambony latabatra handray ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika, ny volana mey izao. Eo ihany koa ny taranja tenisy izay handray lalao afrikanina, amin’ity taona ity .

Noporofoin’ny Fmvb fa rehefa misy tanjona kendrena dia mandeha ho azy ny fiezahana hanome ny tsara, mbola manana vintana handray fifaninanana iraisam-pirenena hafa mantsy ny taranja Volley ball. Tsapa fa rehefa tena hanao zavatra dia tena mahavita ary indrindra rehefa atao am-pitiavana. Ny eo amin’ny lentan’ny mpilalao malagasy sisa no mila hatsaraina, amin’ny alalan’ny fijerena ireo taniketsa sy ny fiatrehana fifaninanana avo lenta maromaro.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.