Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanomezan-kasina ny teny malagasy: nivaly ny fifaninanana « Teny mamy »

Fanomezan-kasina ny teny malagasy: nivaly ny fifaninanana « Teny mamy »

Ankoatra ireo hetsika notontosaina tamin’ny fanamarihana ny andron’ny mpifankatia, ny 14 febroary, nivaly ihany koa ny fifaninanana « Teny mamy » ho an’olon-tiana amin’ny teny malagasy, nokarakarain’ny vondrona « Fantatrao ve ? », eo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook.. Hetsika natao indrindra ho fampitiavana sy fanomezan-kasina ny teny malagasy eo amin’ny sehatry ny tanora sy ny fitoriam-pitiavana. Nokendrena tamin’izany ny fandalovan’ny fetin’ny mpifankatia sy ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny teny ibeazana », hoy i Sitraka Feno Tanteraka, iray amin’ireo mikarakara.

19 mianadahy ny mpandray anjara, izay samy nanana ny lenta sy ny fomba niavaka nanehoany ny teny maminy avokoa, saingy ny efatra nahazo isa ambony indrindra no hotolorana ny mari-pankasitrahana. Nahazo ny laharana voalohany i Dimbin’ny Nofy , faharoa i Zo Randrianjafimanana, fahatelo i Rima Fameno ary fahefatra i Hasiniaina Kavalier. Samy fatratra avokoa ny nanehoan’izy ireo ny hakanton’ny teny malagasy sy ny angolam-pitia nasalotr’izy ireo ny teny maminy.

Ireo mpikarakara sy mpitsara ny lalao : Sitraka Feno Tanteraka, i Ando Malala, i Fanja Razah, i Yvette Harisoa.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.