Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fametrahana ho vakoka iraisam-pirenena: nahaliana an’i Jean-Yves Le Drian ny tanàna ambony

Fametrahana ho vakoka iraisam-pirenena: nahaliana an’i Jean-Yves Le Drian ny tanàna ambony

Anisan’ireo toerana notsidihin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny Frantsay,  Jean-Yves Le Drian , tamin’ny fandalovany teto amintsika ny teny amin’ny  tanàna ambony eto an-dRenivohitra. Miavaka rahateo izany toerana izany noho izy manerinerina mahatazana an’Antananarivo sy ny manodidina. Eo koa anefa ny tantarany sy ny taotrano izay  efa anjato taona maro avokoa ny ankamaroany. Anisan’ny mason-tsivana ijerena ao anatin’ny  tetikasa  amin’ny  hampidirina  ho vakoka  iraisam-pirenen’ny Unesco ny eny ambony tanàna izany. Notsidihin’ny vahiny tamin’izany ny lapan’Antananarivo, ny  mozean’ny saripika eo Andohalo, efa tetikasan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny “Region ile de France” (Rif) . Miandraikitra tanteraka izany tetikasa izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ary mpiara-miombona antoka amin’ny  fanjakana malagasy  kosa ny  ao amin’ny CUA sy ny Rif. Niara-dia sy nitarika ireo vahiny ny minisitra  Lalatiana Andriatongarivo sy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo,  Andriantsitohaina  Naina ary ny solontenan’ny Rif, eto Madagasikara.

 

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.