Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andro ho an’ny tenindreny: vita ny fanamarihana fa ny ezaka mila mitohy

Anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny i Madagasikara. Fikambanana maro no nanao hetsika samy hafa. Mety nisy ny nahazo vokatra tsara teo no ho eo, fa tsy vitsy ihany koa ireo manantena fa hioty izany any aoriana. Na eo aza ireo tranga roa ireo, tsy adidin’olona tokana ny fanomezan-kasina ny teny malagasy fa an’ny Malagasy tsirairay, eo amin’ny sehatra misy azy.

Raha mbola ny eo ankohonana, ohatra, no manome vahana ny fanivaivana ny teny malagasy, ho rera-maina fotsiny ny mpampianatra manao ezaka amin’ny fampitiavana ny mpianany io teny malagasy io. Mifampiankina tanteraka ny isan-tsehatra mba tsy hisian’ny mandeha ila tsy hantenaina hitondra vokatra tsara.

Na tenindreny na teny ibeazana na tenin-drazana, iantsoana azy io, raha mbola tsy ny Malagasy tsirairay mihitsy no manome lanja azy, ho foana tanteraka afaka taona vitsivitsy ny teny malagasy !

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.