Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Harena an-kibon’ny tany: anisan’ny dinihina ny ady amin’ny kolikoly,…  

 

Natao, omaly, ny fivoriana voalohany ho an’ireo mpikambana ao anatin’ny Vaomiera manokana, handinika ny fanatsarana ny Sata mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Sokajy dimy no mandrafitra azy, ahitana ny avy amin’ny rafi-panjakana, ny mpandraharaha vaventy, ny mpandraharaha malagasy, ny sendikà ary ny fiarahamonim-pirenena (OSC), ahitana solontena manodidina ny 10 avy. Mitsinjara any amin’ny asam-baomiera izy ireo, mandinika ny lohahevitra sy ny sehatra isan-karazany, indrindra ny lafiny toekarena, ny sosialy ary ny tontolo iainana. Nambaran’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Ravokatra Fidiniavo, fa anisan’ny karohina koa ny paikady hiadiana amin’ny kolikoly, ny fametrahana ny rafitra tsara tantana.

Nomarihiny koa fa tanjona ny hamoahana ny volavolan-dalàna, haroso hodinihin’ny Antenimiera roa tonta, mandritra ny fivoriambe ara-potoana hatramin’ny volana jona ho avy izao.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.