Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vaky ny mpanohitra: nitsangana ny TRMDM

Vaky ny mpanohitra: nitsangana ny TRMDM

Tratry ny fivakisana noho ny tsy fitoviam-pijery. “Niala sy  nisintaka tao amin’ny  Rodoben’ny mpanohitra sy ny demokrasia (RMDM) izahay ary nanangana ny Tena rodoben’ny mpanohitra sy ny demokrasia (TRMDM)”, hoy ireo mpitarika mirahalahy, Rafanomezantsoa Rochelle sy Razafitsiferana Liva, omaly. Avy amin’ny Fanevan’i Madagasikara ho an’ny fampandrosoana sy ny demokrasia (FMDD) sady mpanorina ny RMDM izy ireo.

Nambaran’izy ireo fa maro ireo antoko sy fikambanana, nanara-dia TRMDM ary hanao fanambarana, tsy ho ela ho amin’ny fijoroan’ny hery fanoherana vaovao sy hametraka ny toerany  eto amin’ny firenena. “Mpanohitra hitondra vahaolana sy sosokevitra fa tsy ho bontolo sy mpitsikera befahatany. Hisokatra sy hifampiresaka amin’ny rehetra, eny hatramin’ny mpitondra aza amin’ny hitantanana ny firenena. Tsy mpanohitra tsangan’olona fa mpanohitra tsangan-kevitra”, hoy ihany izy ireo.

Fananganana rafitra matanjaka eny ifotony

Efa natsidik’izy ireo sahady ny tokony hijerena ny lafiny toekarena, indrindra fa ireo harem-pirenena ka tsy iankinan-doha amin’ny any ivelany. Tahaka izany koa ny  momba ny hitantanana  ny volamena, ny fiaraha-miasa amin’ireo vahiny, mba samy  hahazoan’ny an-daniny sy an-kilany tombontsoa,  mizara mitovy. “Mila manao revolisiona amin’izany isika mba  tsy ho mahantra,  hiondana harena eto… Mametraka ny fifampitondrana sy rafitra matanjaka, miainga eny ifotony amin’ny alalan’ny fokonolona…”, hoy izy ireo.

Synèse  R. 

Les commentaires sont fermées.