Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tetikasa Saru: hamafisina ny fanjarian-tsakafo an-tanàn-dehibe

Tetikasa Saru: hamafisina ny fanjarian-tsakafo an-tanàn-dehibe

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny tetikasa Saru (Renforcer la Résilience climatique dans les Systèmes Alimentaies en Régions Urbaines à Madagascar).

Tetikasa fanamafisana sy fanohanana miaraka ireo vahoakra marefo noho ny fiovaovan’ny toetrandro, eo amin’ny lafiny ara-tsakafo, an-tanàn-dehibe sy ny manodidina, ary erak’i Madagasikara ity Saru ity.

Hatomboka amin’ny taona 2021 ny tetikasa ka  ny volana septambra izao dia efa tokony hivoaka ny drafitra ho an’ny eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Tanjona ny hijerena ny fomba maharitra amin’ny lafiny fihariana ho amin’ny fanjarian-tsakafon’ny mponina marefo ary hifantohana manokana amin’izany ny sehatry ny famokarana, ny fanodinana, ny fitaterana ary ny fivarotana mba haharitra.

Nilaza ny ben’ny Tanàna, Naina Andriantsitohaina, omaly fa zava-dehibe eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra izao hetsika izao. Tanàn-dehibe ary anisany voakasiky ny tetikasa Antananarivo . Tokony ho matipaika, araka izany ny fandaharanasa amin’ny fanjarian-tsakafo. Mila miara-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka rehetra ny kaominina hisian’ny fampandrosoana, hoy hatrany ny ben’ny Tanàna.

Tsy nanadino ny fanjakana foibe ny ben’ny Tanàna ka nisaotra tamin’ny alalan’ny minisitera, noho ireo ezaka rehetra izay natomboka. Teo koa ny governoran’ny faritra Analamanga, miara-miasa ho fampandrosoana ny tanàna ary ny FAO, izay manampy betsaka eo amin’ny lafiny fanjariana ara-tsakafo.

Tafiditra ao anatin’ny Veliranon’Iarivo ny manao laharam-pahamehana ny fanjarian-tsakafo ho an’ny mponina, hoy ny ben’ny Tanàna. Ohatra amin’izany ny tetikasa fananganana ny “cantine scolaire” manerana ny EPP eto Antananarivo .

Antananarivo dia mamboly sy miompy. Manana velaran-tany lehibe indrindra amin’ny toerana fambolena ny boriborintany VI ary betsaka ny mponina no tantsaha. Andraikitry ny CUA ny mampiroborobo ireo faritra ireo mba hahafahana mamatsy ny mponin’Antananarivo ara-tsakafo.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.