Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Talen’ny DGI – Fanambaran-ketra: “Ao ny tarehimarika hadino, niniana nahena, ny hosoka…”

Nandraisana fepetra vaovao ny fanaraha-maso ny fanambaran-ketra ataon’ireo orinasa rehetra, na kely na lehibe, na an’olon-tokana. Izay ny nambaran’ny talen’ny jeneralin’ny hetra, i Germain, omaly, niantsoana fihaonana tamin’ireo vondrona mpandraharaha samihafa. SQVF*, io ilay fomba vaovao siantifika fanaraha-maso ny fanambarana avy any amin’ireo orinasa isanisany.

Voakasika tamin’ny fivoriana, ny fanitsiana ny fanambarana tamin’ny 2016. Mahita ny sampandraharahan’ny hetra (DGI), fa misy tsy itovizana betsaka ny fanambarana tonga any aminy alefan’ireo orinasa sy ny tarehimarika eo am-pelatanany. “Raha mahazo tsenambaro-panjakana ireny orinasa ireny, any amin’ny tsenambaro-panjakana izahay no mahazo ny tarehimarika, raha mpanondrana na mpanafatra entana, any amin’ny fadintseranana…Izay ny anananay tarehimarika hijerena raha mifanaraka marina amin’ny fanambarana nataony ny hetra aloany”, hoy ny talen’ny DGI, i Germain.

Misy amin’izany fanambarana izany ny tarehimarika hadino, ao ny niniana nahena mba handoavana hetra faran’izay kely, ny sasany indray manao hosoka fotsiny amin’izao… Ireny rehetra ireny mila fanitsiana avokoa, ka samy hafa ny olana amin’ny orinasa tsirairay”, hoy ihany ny talen’ny DGI. Fanambaran-ketra, taona 2016 no voalaza eto, fa ho an’ny taona 2017, 2018, nilaza mialoha amin’ireo tompona orinasa ny DGI ny amin’ny tokony hanaovana fanitsiana, nefa tsy asiana sazy ara-ketra, fa tsy hiandry ny fanjakana hitaky ny marina ka hampihatra sazy. Ezahina hatsaraina ny fampidiran-ketra, ka amin’ity taona ity, araka ny lalàna momba ny tetibolam-panjakana, 4029 miliara ariary ny vola tokony hiditra amin’ny fanjakana.

 

R.Mathieu

SQVF* : Suivi qualitatif des vérifications fiscales

Les commentaires sont fermées.