Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ranesa Firiana: “Mila fahamatoran’ny depiote ny fanenjehana olona ambony”

Ranesa Firiana: “Mila fahamatoran’ny depiote ny fanenjehana olona ambony”

Misy ny antontan-taratasy avy eny amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac), nalefany eny anivon’ny Antenimierampirenena. Raha tsy misy ny fiovana, 13 ny isan’izany, izay mahakasika minisitra teo aloha. Hanao ahoana? Maneho ny fijeriny ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana: “Mitaky toetra matotra sy fomba fijery tsy mitanila eo amin’ny solombavambahoaka ny fanaovana izay fahazoana manao fanenjehana izay.” Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ahoana ny fijerinao ny mbola fampandalovana amin’ny Antenimierampirenena izay fahefana mpanao lalàna ny fitsarana na tsia ireo mpitondra ambony amin’ny alalan’ny Fitsarana avo (HCJ)? 

Ranesa Firiana (-): Ny lalàna no mamaritra ny paikady arahina eo anivon’ny rantsam-pitsarana iray. Rehefa misy ny fanenjehana olom-panjakana ambony toy ny hoe minisitra na solombavambahoaka na filohan’andrimpanjakana, misy ny antom-panenjehana ataon’ny eo anivon’ny fitsarana.

Avy eo, misy ny atao hoe fahazoana manao fanenjehana izay fahefana nomen’ny lalàna ny Antenimierampirenena. Fahafena ahazoana manao ny asam-pitsarana momba ny olom-panjakana ambony iray izany. Andraikitra nomen’ny lalàna ny solombavambahoaka izy io, nefa azo lazaina hoe somary mampifangaro ny asan’ny fitsarana sy ny asan’ny solombavambahoaka.

 * Aiza ho aiza ny fisaraham-pahefana amin’izany?

– Misy fifanitsahana izany ny fisaraham-pahefana eo amin’ny fahefana mpitsara sy ny fahefana mpanao lalàna. Mitaky toetra matotra sy fomba fijery tsy mitanila eo amin’ny solombavambahoaka ny fanaovana izay fahazoana manao fanenjehana izay. Satria tokony hijoro hanana toetra manara-dalàna izany ny solombavambahoaka eo am-panaovana izay fifidianana ny amin’ny fahazoana manao fanenjehana na tsia ny olom-panjakana ambony izay.

Tokony hijoro amin’ny toetra hoe mandala ny fanjakana tan-dalàna koa izy ireo amin’izany mba tsy ho sakana amin’ny fanenjehana noho ny fisian’ny hadisoana na heloka iray ataon’ny mpitondra ambony ny solombavambahoaka.

Ny tranga mety hisy ny hoe namanamana, mety tsy ho voaenjika rehefa mitovitovy loko politika. Rehefa tsy mitovitovy loko politika, mety ho mora kokoa ny manenjika azy. Indrindra amin’izao fotoana izao, misy antoko manana ny maro anisa eny anivon’ny Antenimierampirenena: mety hitranga izay…

* Ahoana ny amin’izay?

– Ny azo anamarinana io fomba fijerin’ny mpanao lalàna io, tamin’izany fotoana izany: ny Fitsarana avo (HCJ) manila, na fitsarana politika ihany. Satria betsaka kokoa ny mpanao politika amin’ny mpikambana mandrafitra azy, ohatra, no ho mpitsara matihanina. Tsy mpitsara matihanina izany no betsaka.

Raha 11 no mandrafitra azy, dimy ihany ny mpitsara matihanina fa avy amin’ireo rafitra ivelan’ny fitsarana ny enina. Mety azo anamarinana azy izay. Na izany na tsy izany, mitaky toe-tsaina ambony avy amin’ny solombavambahoaka ny fanaovana izay fahazoana manao fanenjehana izay.

* Tsy ahina ve ny fidiran’ny politika amin’izay dingana arahina izay?

 – Miankina tanteraka amin’ny fomba fitsara, entina mitsara eo anivon’ny Fitsarana avo, ny hahazoana mahita azy hoe fitsarana politika na tena fitsarana marina ny Fitsarana avo.

 

Nangonin’i R. Nd.

Les commentaires sont fermées.