Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampiharan-dalàna ihany…            

Hatramin’izao, mbola mafimafy sy sarotsarotra ny hoe tany sy fanjakana tan-dalàna. Ao anatin’izany ny fampanjakana ny fandriampahalemana, ohatra, ny ady amin’ny kolikoly, ny fanafoanana tanteraka ny fitsaram-bahoaka…

Lalina sy naharitra ary saika nahahenika ny sehatra sy ny ambaratonga rehetra ny gaboraraka? Tsy fanarahan-dalàna, kolikoly, kiantranoantrano, tsimatimanota… Tsy misy afa-tsy ny fampiharan-dalàna ihany no lalan-kivoahana?

Amin’izany, tena mila hajaina sy ampiharina ny hoe: tsy misy olona ambonin’ny lalàna. Na iza na iza izany, na aiza na aiza… Eny, na amin’ny raharaha inona na inona. Mby amin’ny firenena hoe: mafy ny lalàna, nefa izay ny lalàna.

Tena vonona sy sahy ary mijoro sy miroso amin’izany ny rehetra? Kibo mitsara tena ny tsirairay. Mba tsy ho am-boalohany ihany izay, fa tena iainana mba ho fomba fiainana sy fisainana: kolontsaina izany, raha tiana ny handroso.

R.Nd.

 

Les commentaires sont fermées.