Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vokatra kabaro: 2000 t sisa ny aondrana

Vokatra kabaro: 2000 t sisa ny aondrana

Nanana ny lazany manokana ny vokatra kabaro avy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana talohan’ny taona 80. Nanomboka teo amin’ny taona 90, tsy nitsaha-nitotongana io  vokatra iray io. Nitovitovy laharana amin’ny katsaka, mangahazo, na hasy ny kabaro tany Atsimo andrefana, saingy tantara sisa izany izao.

Tany amin’ny taona 70, manodidina ny 10 000 t ny vokatra naondrana; mbola tsara ny vokatra talohan’izay, saingy nihena izany rehefa noraisin’ny fanjakana ny lalam-pihariana. Rehefa hita ny  lesoka nohatsaraina ny fizarana masomboly, nampitomboina ny velaran-tany novolena, ary nitombo niaraka tamin’izay koa ny vokatra, ny taona 80, 15 000 hatramin’ny 28 000 t isan-taona. 23 000 t ny vokatra naondrana nanomboka teo,  amin’izao fotoana, zara raha misy 2000 t  ny aondrana ao Nosy Maorisy na La Réunion.

Betsaka anefa ny tinady eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, toy ny any Angletera, manafatra izany atao lafarinina; ny any Frantsa, indrindra fa any Marseille, mpanjifa be indrindra ireo Arabo monina any. Mpanafatra ity vokatra ity koa ry zareo Espaniola sy Portogey. Ny ao Afrika Atsimo, tsena iray lehibe fa ambany vidy. Koa any amin’ireo Nosy manodidina sisa ny mpividy mifanaraka amin’ny vokatra kely misy eto an-toerana.  Tsy be mpitady loatra indray  ny vokatra ho an’ny tsena anatiny,  toy ny eto afovoan-tany.

Tsara ny masomboly nampidirin’ny vazaha teto talohan’ny Ady lehibe faharoa. Vokatra azo antoka fotsy tsara niadiana amin’ny “menamaso”. Ny tantsaha rehetra tsy maintsy nampiseho vokatrra 20 kg fotsy tsara, izay ny lalàna, ankoatra ny fikojakojana sy fanitarana ny tany, ady amin ‘ny bibikely. Tsy nisy intsony izany taty aoriana, tsy nisy fanentanana ny tantsaha sy fanofanana azy ireo ; mpandraharaha vitsy sisa izao ny mividy kabaro, latsaky 2000 Ar ny kilao any amin’ny mpamboly.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.