Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Mbola mitohy ny famotorana ny raharaha Tahisy izay niteraka resabe tao amin’ny tambajotran-tserasera. Nambaran’ny kaomisera Seraly Hercule, Directeur de la police judiciaire fa efa vita ny famotorana ilay rasazy nampiteraka an-dratompokovavy. Mbola tsy misy, hoy izy, ny fisamborana natao na teo aza ireny fanambarana nataon’ny renin’i Tahisy ny alatsinainy teo tamin’ny fahitalavitra ireny, izay nilazany ny zava-nisy marina sy ny anatony nahafaty an-janany. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

Lehilahy miisa enina no nifamaly tamina andrimasom-pokonolona tao amin’ny fokontanin’i Tsarahonenana Tanambao sy ny fokontanin’Ambohitrantenaina-Sabotsy Namehana ny alin’ny alatsinaiany teo tokony ho tamin’ny 12 ora. Nentin’ny hamamoana ireo tovolahy ireo tamin’izany ka nifamaly sy nitabataba, hoy ny zandary nisahana ny famotorana. Tsy nisy kosa ny fisamborana natao tamin’izany.

Les commentaires sont fermées.