Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mahanoro: tsy nihetsika ny vidin’ny PPN

Mandeha ny fampiharana ny tetikasa « Tsinjo » ho fitsinjovana sy fiarovana ny mpanjifa any amin’ny distrikan’i Mahanoro, ataon’ny minisiteran’ny Indostria, ny varotra sy ny asa tanana. Efa nitondra fanampiana ireo traboina aloha ny Praiminisitra Ntsay Christian, taorian’ny fandalovan’ny andro ratsy Francisco, nitohy tamin‘ny fidinana teny an-toerana ny mpiasan’ny minisitera sy ny ao amin’ny faritra, nanara-maso ny tahiry sy ny vidin’ny PPN.

Tsikaritra tamin’izany fa tsy nisy fiovana firy ny vidin-javatra raha oharina talohan’ny fandalovan’ny andro ratsy. Na ny famatsiana aza, tsy atahorana ho tapaka, taorian’ny fitsirihana natao tamin‘ireo mpamongady. Tsiahivina fa hisorohana ny fanararaotana ny tetikasa “Tsinjo”, ampiharina manerana ny Nosy.

Vidin’ny PPN any an-toerana  
Vidin’ny PPN any an-toerana

 

Vary  stock

 

 

450Ar / Kapoaka

Vary Makalioka 550Ar/ Kapoaka
Vary Gasy 500Ar/ Kapoaka
Menaka tsy anaty tavoahangy 4400Ar / L
Siramamy 2400Ar / Kg
Lafarinina 2000Ar / Kg

 

R.Mathieu

 

Les commentaires sont fermées.