Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Namoaka fitadiavana ny polisim-pirenena, omaly, amin’izay mahafantatra an-dRanaivojaona Maherizo, teraka ny 8 desambra 1986 tao Ankadifotsy, tompon’ny kara-panondro laharana 110 011 007 603. Adiresy farany nahafantarana azy ny tao Ambondrona. Tadiavina noho ny resaka fisolokiana sy antontan-taratasy hosoka ity lehilahy ity koa iangaviana izay mahalala na manana fanampim-baovao mahakasika azy hampandre ny polisy ao amin’ny sampana heloka bevava sakelika fahatelo na koa hiantso ny laharana 034 05 526 94 na ny 034 05 517 26.

Miisa 22 ireo voafonja namoy ny ainy nandritra ny taona 2019 tao Antanimora. 27 kosa ireo nanaovan Evasan na Evacuation sanitaire. Io ny tatitry ny mpiasan’ny fonjan’Antanimora nandritra ny taona lasa teo iny. Nambarany ihany koa fa miisa valo ireo voafonja nitsoaka an’Antanimora ka tratra avokoa ny telo amin’ireo.

Les commentaires sont fermées.