Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Songadina an-tsary

Songadina an-tsary

Taorian’ny fandaminana ny mpivarotra etsy Anosy, nanaraka ny toromarika izy ireo, nipetraka eny amin’ny sisina ary manome lalana ho an’ny mpiantsena sy mpandeha an-tongotra.

Misy fahasimbana ny lalana etsy Soarano manoloana ny tsena Pochard. Efa mijery akaiky izany ny tompon’andraikitra.

Ambodifilao, tsy voahaja intsony ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana fa manoa izay tiany ny fiara.

Maro amin’ireo fiara mpitatitra no efa mila fanamboarana. Tsy manaja ny fenitra sy ny kalitao ilain’ny mpanjifa intsony.

Nidina nijery ifotony ny fizotry ny asa fanamboarana ny kianja Barea etsy Mahamasina ny filoha Rajoelina Andry sy ireo tompon’andraikitra voakasik’izany. Teny ihany koa ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra. Tetikasa goavana iray izay hovitaina alohan’ny fankalazana ny faha-60 ny Fahaleovantena, ny 26 jona ho avy izao.

Tonga nankahery sy nanome fanampiana ho an’ireo traboina tany Mahanoro ny Praiministra Ntsay Christian sy ireo delegasiona niaraka taminy. Traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Francisco teto amintsika.

Les commentaires sont fermées.