Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mba avy indray ny orana: velom-panantenana ny tantsaha any Alaotra  

Mba avy indray ny orana: velom-panantenana ny tantsaha any Alaotra   

  “Iri-mahaory” ny orana! Nitsahatra tanteraka ny firotsahany taty Alaotra taorian’ireny orambe tamin’ny faramparan’ny volana janoary ireny… Dia ny 16 febroary teo indray vao nisy ny tena orana. Lanilany fanahy ny mpamboly vary aty an-toerana ho an’ireo nanana ny simban’ny tondra-drano satria nisy ny namerina nanetsa, tao ny efa very hevitra ka ny fafy sisa natao “fa efa” tara”! Nanomboka efa nifamaly ny Sampandraharaha misahana ny fitantanana ireo tohodrano sy ny mpamboly mpampiasa rano sasany. “Ny ampahany betsaka amin’ny habetsahan’ny orana tokony ho nirotsaka ny volana janoary iny indray nitranga iny”, hoy ny Sampandraharaha misahana ny toetr’andro.

Mba nirotsaka natevintevina ny orana ny 16 feboroary teo. Nampisy fanentanana kely izany na tsy mbola hay aza izay ho tohiny. Manana fanantenana ny Sampandraharaham-paritry ny fambolena na eo aza izao olana miseho izao. Satria “efa any am-pelatanan’ny mpamoka-bary manerana ny distrika dimy ireo fomba mampahomby ny famokaram-bary nentin’ny tetikasa Papriz indroa miantoana. Eo koa ny fanentanan’ireo “Mpamboly-mpanofana” isam-pokontany any amin’ny “toerana voajary” 52 ato amin’ny faritra Alaotra-Mangoro. Tsy hadino Andilamena sy Anosibe an’Ala izay nisy nahazo loka tamin’ny fifaninanana fahaza-mampihatra ny teknika Pa Riz”.

Velom-panantenana koa ny tantsaha any amin’ny kaominin’i Didy, “izahay no hamatsy anareo aty Alaotra, amin’ity taona ity”, hoy ny mpamboly vary iray, amina tany “fompotra” any amin’iny tapany atsinanan’ny distrikan’Ambatondrazaka iny.

Tsetsatsetsa tsy aritra: 4 000 ha no tetehin’ny fitondrana, tanimbary velarina any amin’iny toerana iny…

Rarivo sy Njaka A.

Les commentaires sont fermées.