Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Opération harcelement”: miaramila tao amin’ny RM1 ny iray amin’ireo jiolahy tratra

“Opération harcelement”: miaramila tao amin’ny RM1 ny iray amin’ireo jiolahy tratra

Nisy ny fahapahan-kevitra noraisin’ny eo anivon’ny talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Bongolava manoloana ny firongatry ny halatra arahina herisetra ao an-tampon-tanànan’i Tsiroanomandidy. Nisy, araka izany, ny fivoriana niarahana amin’ny sefom-pokontany sy ny kaominina rehetra ao Tsiroanomandidy. Napetraka ihany koa ny sakana eny an-dalana entina hifehezana ny fivezivezen’ny olona mampiahiahy miaraka amin’ny fitaovam-piadiana. Manoloana izany indrindra, nisy ny hetsika manokana “Opération d’harcelement” ka nampitomboina ny isan’ny polisy miasa. Teo koa ny fisavana ireo olona mampiahiahy eny anivon’ny fokontany. Nanao fanentanana amin’ny alalan’ny haino aman-jery ny polisy amin’ny tokony hitondran’ny olona tsirairay avy ny kara-panondro rehefa mivoaka ny trano. Nahitam-bokany ireo fanapahan-kevitra noraisina ireo satria olona miisa dimy voarohirohy amina halatra miharo herisetra indray tratra, ny volana janoary teo, ka efa naiditra am-ponja, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Ny alatsinainy 10 febroary lasa teo, valo lahy koa indray tratran’ny polisy. Nahitana antsy lava niaraka amin’ny moara sy ny rongony tany amin’izy ireo nandritra ny fisavana nataon’ny polisy. “Miaramila nitsoaka ny iray amin’ireto jiolahy ireto ary efa voaporofo eo anivon’ny RM1 Analakely izany”, hoy ny fanazavan’ny polisy. Eo am-pikarohana ireo jiolahy naman’ireto voasambotra ireto ny polisy any an-toerana.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.