Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Omnis: nahatratra 31 ha ny tany voavoly hazo

Omnis: nahatratra 31 ha ny tany voavoly hazo

Namboly hazo, maherin’ny 2 000 fototra, eny amin’ny fokontany Tsinjoana, kaominina Behenjy, ny zoma 14 febroary teo, ny Ofisin’ny harena an-kibon’ny tany sy ny indostria stratejika (Omnis). Tato anatin’ny 34 taona (nanomboka ny 1986), nahatratra 31 ha ny velaran-tany voavoly hazo.

Nilaza ny tale jeneraliny, Ranoroarisoa Lalanirina, fa tetikasan’izy ireo ny fanentanana sy ny fampiofanana ny tantsaha sy ny mponina eny ifotony ny teknikam-pambolena. Nambaran’ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotondrazafy Andrianjakatiana, nisolo tena ny minisitra Ravokatra Fidiniavo, fa isan’ny miaro ny tontolo iainana ny mpisehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany. Mandray anjara feno hanatrarana ny tanjona, handrakofana ala an’i Madagasikara.

Ho an’ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Omnis, Rtoa Delmotte Stéphanie, zava-poana raha tsy arahi-maso ireo hazo novolena.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.