Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Noho ny firongatry ny harom-paosy: nanao bemidina ny polisy, tontakely 10 lahy indray tratra

Noho ny firongatry ny harom-paosy: nanao bemidina ny polisy, tontakely 10 lahy indray tratra

Tontakely miisa 10 lahy (enina tsy ampy taona) indray tratran’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany (CSP1) Analakely, ny zoma teo teny amin’ny faritra Pochard sy ny manodidina, noho ny fanendahana sy harom-paosy.

Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny CSP1, maro ireo fitarainan’ny olona voarain’ny polisy momba ny sintona telefaonina finday sy ny harom-paosy eny amin’ny faritra Analakely iny ka nanamafy ny hetsika efa fanaon’izy ireo ny polisy ao amin’ny CSP1 tamin’ny alalan’ny fanaraha-maso ireo toerana voalaza fa itrangan’ireo asa ratsy ireo matetika. Nohetsehina manokana ireo polisy manao fanamiana sivily nandritra ity hetsika ity. Nahitam-bokany izany ny zoma mitataovovonana teo satria tontakely tsy ampy taona miisa enina indray tratra teny  Pochard. Teo am-panarahana olona izy ireo no tratran’ny polisy ka toy izao ny fomba fanaon’izy ireo. Ny iray, mody mibahana eo aloha, ny ambiny kosa, avy aoriana sady misaka posy sy mitondra ilay entana mandositra. Nomarihin’ny polisy fa ny finday no tena alain’izy ireo ary tamin’ny fotoana nisavana azy ireo, mbola nahitana finday iray tsy misy puce tany amin’izy ireo. Izy ireo indray no nanondro ny olona iray fivarotan’izy ireo ireo finday halatra. Tratra teny Andravoahangay ny lehilahy iray mpandray izany raha teny Esplanade Pavillon Analakely kosa no tratra ny telo hafa. Efa mpamerin-keloka ny roa amin’ireto voasambotra ireto. Tena miray tendro amin’ireo mpanendaka ireo mpivarotra eo Analakely satria mahafantatra an-dry zalahy, saingy tsy sahy milaza amin’ny polisy noho ny tahotra valifaty, araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo mahafantatra ny fomba fiasan’ireo mpanendaka. Rehefa avy manendaka ry zalahy, lasa misolo akanjo amin’ireo mpivarotra ireo ihany. Na miantso vonjy aza ireo voaendaka, jeren’ny olona fotsiny noho ny tahotra.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.